Efa hananika ny efatra andro izao ny fitokonan’ireo mpiasa mitaky karama eo anivon’ny Kaominina Toamasina, nefa tsy mbola mahita vahaolana hamahana izany ny PDS Toalina Zafindrabary.
Niditra an-tsehatra ny mpanolotsaina notarihan’ny filohany Atoa Randria Jean Baptiste ary ny kaomisiona mikasika ny ara-bola, namory ireo mpiasa sy nihaino azy ireo mikasika ny olana sedrainy. Nandritra izany no nilazan’ireo mpiasa fa “saribakoly ny PDS ka tsy hahavaha olana mihitsy”. Araka ny angom-baovao teo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana ao Toamasina dia fantatra fa tsy manam-bola handoavana ireo karaman’ny mpiasany ny Kaominin’i Toamasina renivohitra. Ankoatra izay dia mangataka ny hanokafana fanadihadiana ny antony mahatonga izao olan’ny Kaominina Toamasina izao ireto mpiasa mitokona ireto. Ny alakamisy tolakandro ihany dia nivory ireo mpanolotsaina nanangana kaomisionina manokana hanao fanadihadiana ka ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha mpiasa – PDS.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.