Actualités

Kaominin’i Toamasina ambonivohitra Aiza ihany ilay vola iray miliara hanamboaran-dalana ?


  • Alarobia 18 Mey 2011

“Hanomboka ny volana aprily izao ny fanamboaran-dalana eto Toamasina tampon-tanŕna, lalana maromaro izay tena simba sy be mpampiasa no hamboarina amin’izany. Nahazo vola iray miliara ariary tamin’ny filoha avon’ny tetezamita mantsy ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina”.

 Tenin’ny PDS Rakotovao Mariot io nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT tao Toamasina, ny volana febroary 2011, nandritra ny fametrahana ireo takelaka goavambe mirakitra ny asa fanamboarana ny lapan’ny Tanàna sy ilay hopitaly ao an-tokotanin’ny Magro Morafeno ary ny filazana ny fanombohan’ny “Cité Fitiavana” ao Barikadimy. Mbola nohamafisin’ny filohan’ny FAT aza ny hanomezana an’i Toamasina io vola fanamboaran-dalana io nandritra ny fitsenany ny “vary mora” teo anivon’ny seranan-tsambo ny volana martsa 2011 teo. Lasa ihany ny volana aprily nilazana fa hanombohan’ny asa, efa misasaka kosa ny volana mey, fa tsy hita izay fiantefan’ilay vola iray miliara ariary. Ireo lalana nambara fa hamboarina tao an-tanàna vao mainka feno lavaka, ilay araben’ny fahaleovantena namboarina herintaona lasa nanenjehana ny fetim-pirenena ny taona 2010 efa feno lavadavaka koa ankehitriny, hany ka mahatonga ny maro hametra-panontaniana hoe tena misy ve ilay vola sa natao hampandriana adrisa fotsiny ? Raha misy ilay vola, nahoana no tsy amboarina ny lalana izay nampanantenaina ? Iza marina no miantoka ny fanamboarana azy ny FAT ve sa ny volan’ny Tahiry ho fikojakojana ny lalana (FER) izay mbola ifampitadiavana ?

Ny zava-misy aloha na inona ambara dia tsy misy asa fanamboaran-dalana manomboka ao Toamasina. Ireo asa naranty tamin’ireny takelaka goavana ireny aza mikatso koa ankehitriny. Ilay Lapan’ny Tanànan’i Toamasina nampanantenaina fa hotokanana ny volana jona koa, na ny tafo namboarina aza nitarazoka ary ilay rindrina noravana mbola bambangoana tsy misy asa vita mandraka ity ny androany. Ilay hopitaly ao Morafeno koa na ny fototra aza tsy vita ary ny momba ilay “Cité Fitiavana” hatao ao Toamasina dia ny anarany no manitra fa ny asa tsy mandeha fa mbola miandry tolobidim-panjakana izany ny fanomboan’ny asa.

 
Rakoutou
 

Sary : Fampanantenana ny hanarenana ity Lapan’ny tanànan’i Toamasina ity

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT