Actualités

Kaominin’Antananarivo Renivohitra Hifarana ny 31 mey ny fandoavan-ketra tsy misy sazy


  • Zoma 27 Mey 2016

Hifarana amin’ny talata 31 mey 2016 izao ny fe-potoana farany fanefana ireo hetran-trano sy hetran-tany misy rosia tsy arahina sazy eo anivon’ny Fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.

 

Hisokatra manokana ho an’ireo mpandoa hetra noho izany ireo «Régie de Recettes fiscales» eny amin’ireo biraon’ny boriborintany enina manerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny sabotsy 28 mey tontolo andro. Hiditra amin’ny fanamarihana avy hatrany kosa ny tompon’andraikitra aorian’ny faran’ny volana. Ireo vola miditra avy amin’ny hetra moa no ahafahan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra manatontosa ireo tetikasa maro fanarenana samihafa toy ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna, ny fanamboaran-dalana na koa ny fananganana fotodrafitrasa. Tsara ny mampahatsiahy fa adidin’ny olom-pirenena ny fandoavan-ketra, araka ny voalazan’ireo andininy ao anatin’ny «Code Général des Impôts».

Ramano F

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT