Actualités

Kandida Patrick Raharimanana Misy misoloky amin’ny facebook


  • Talata 30 Jolay 2013

Tetika fanaratsiana sa asan-jiolahy amin’ny internet tsotra izao ? Fantatra mantsy izao fa misy misoloky amin’ireny tambajotra sosialy ireny i Patrick Raharimanana, kandida filoham-pirenena avy amin’ny antoko “Vitatsika io”.

Mitaraina mihitsy ity kandida ity, nilaza fa “misy olona nanamboatra compte facebook amin’ny anarako sy ny sariko, dia mandefa message any amin’olona rehetra any. Misy resaka aranaque ara-bola mihitsy aza”. “Patrick Raharimanana” no anarana nalainy, nefa ny ahy “Patrick Raharimanana Candidat” no tena izy amin’ny facebook, hoy hatrany ity kandida ity. Namita iraka tany Rôme Italia i Patrick Raharimanana no nahita ity fisolokiana ny anarany amin’ny tranokalam-pifandraisana izy. Araka ny nambarany dia nihaona tamin’ny mpandraharaha momba ny hananganana “centre commercial” lehibe sy hotely ary banky momba ny fampandrosoana aty Madagasikara no anton-diany tany. Araka ny fanazavany hatrany dia maro ireo mpandraharaha vahiny te hampiasa vola aty Madagasikara fa mbola betsaka ny ahiahy amin’ny tsy maha marin-toerana ny raharaha politika eto. Na izany aza dia nampanantena ho avy daholo ireo mpandraharaha vahiny tafahaona taminy fa rehefa misy filoha voafidy ara-dalàna. Anisan’ny fifampiraharahana nifanaovany tamin’ireo mpampiasa vola nihaonany tany Italia ny famoronana asa ho an’ny Malagasy ary ny fandraisana anjara ara-bolan’ireo mpandraharaha malagasy amin’ny renivolan’ny orinasa izay hatsangana, na banky momba ny fampandrosoana io, na ny hotely…

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT