Kandida minisitra roa

> Nifandramatra ny mpanohana, saika may ny QG


  • Talata 15 Oktobra 2013


Lasa ringa nanaovana ady totohondry teo amin’ny samy mpanohana kandida roa ny moron-dranomasin’i Toamasina ny alahady tolakandro teo. Kandida roa izay efa samy minisitra teo anivon’ny tetezamita farany teo no nanao fampielezan-kevitra izay tsy nisy 200m akory ny elanelany. Niakatra ny feo ary teo no niteraka ny sakoroka ka naharatrana olona telo. Ankoatra izay, vokatry ny tsy fahaloavana vola nifanarahana tamin’ireo olona nokaramaina kandida iray nisahana ny fiarovana sy nanabe isa ireo olona nasaina teny amoron-dranomasina ny alahady teo io, dia raikitra ny sakoroka teo amin’ireo tanora sy ireo mpikarakara. Tonga hatramin’ny famakiana ny biraon’ity kandida ity tao Tanambao V Beryl Rouge, soa fa niezaka nandamina ny mpitandro ny filaminana raha tsy izany saika nitatra tamin’ny fandoroana QG ny raharaha.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT