Kandida minisitra iray

> Afa-baraka tao Ibity


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Aza mba voany ihany fa dia mandraingiraingy tokoa an ! Niafara tamin’ny savorovoro ny fampielezan-kevitry ny mpanohana ny kandidà Minisitra iray tao amin’ny kaominina Ibity, Distrikan’Antsirabe faharoa ny alatsinainy 14 oktobra lasa teo.

Tsena ny andro ka dia nanararaotra nanao fampielezan-kevitra tany amin’ity kaominina ity ny ekipan'i Hajo ao Vakinankaratra. Toy ny mahazatra dia miantso ny olona ho eo an-kianja izy ireo ka tonga tokoa ny mpiantsena. Anisan’ny nasaina tao ny lefitry ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Manandona sy Vinaninkarena. Nilaza ireto farany fa miaraka amin’ny kandidà Hajo avokoa ny Ben’ny tanànan’ny Distrikan’Antsirabe faharoa rehetra, anisan’izany ny ben’ny tanànan’Ibity ingahy Ratovohery Panoela Arnold nanatrika teo. Nitranga ny tsy nampoizina satria nasaina nandray fitenenana ingahy Mera ka dia nandray “micro” tokoa ny tenany. Avy hatrany dia nisaotra ny vahoaka tonga maro izy ary nilaza fa : “Fa ahitsiko kely angamba ny teninareo teo ry zareo mpanaradia an'ingahy Hajo, fa izaho Ben’ny tanànan'Ibity dia tsy miaraka sy tsy manohana velively an'ingahy Hajo fa miara-dia amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy manohana an'ny Dr Robinson Jean Louis mitondra ny laharana faha-33 koa manasa sy mitaona antsika vahoaka mba hifidy azy amin’ny 25 oktobra ho avy izao”. Horakoraka narahina tehaka mirefodrefotra no azon’ingahy Ben’ny ka dia rava ho azy teo ilay fampielezan-kevitra ary dia savorovoro no niafarany. Ny lehiben’ny faritra teo aloha moa no anisan’ny mpitarika ny mpanohana ity kandidà ity ao Vakinankaratra.

Caïus Raharison


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT