Actualités

Kandida filoham-pirenena Tsy nahita havaly i Vyvato Rakotovao


  • Alakamisy 18 Aogositra 2011

Nanararaotra ny fahatongavany any Fenoarivo Atsinanana hitarika atrikasa momba ny jirofo ny minisitry ny fambolena Vyvato Rakotovao, ka namory mpikambana Tiako I Madagasikara (TIM) amin’iny faritra iny.

 Ny maraina tamin’ny folo ora no voatondro hihaonana, saingy tsy tanteraka izany raha tsy ny tolakandro tamin’ny efatra ora, ary naharitra ora iray teo, satria niandry ireo olona notaterina tamin’ny fiara avy amin’ireo Distrika manodidina, toa an’i Vavatenina, Soanierana Ivongo. Olona 160 teo no tafavorin-dry Fidison Mananjara na Rasomotra, saingy olona liana mba te handre izay ambaran’izy ireo no betsaka. Niezaka nanazava antony andraisany anjara amin’izao tetezamita izao, ka iarahany amin’i Andry Rajoelina i Vyvato, dia ny mba hisian’ny filaminana, hitsinjovana ireo namana TIM mpiara-dia. Iray ihany ny TIM raha ny filazany, ary vonona hiatrika fifidianana, ka izay amin’izay toerana azo antoka fa ho lany no handatsahana kandida. Nanararaotra nanontany azy ireo tonga nivory, ny amin’izay ho kandidan’ny TIM amin’ny fifidianana filoham-pirenena, saingy tsy nasian’ingahy sekretera jeneralin’ny TIM setriny izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT