Kandida depiote

> Nosamborin’ny polisy fa hoe mpanao vola sandoka


  • Alarobia 21 Aogositra 2013


Mpampianatra iray mpikamban’ny Sempama hilatsaka hofidiana solombavambahoaka no norohizan'ny polisy rojovy avy any Manandriana, Amoron’i Mania ny 12 aogositra lasa teo, niaraka tamina tovolahy iray hafa havany. Avy nandray karama tamina banky tao Ambositra izy izao nosamborin'ny polisy izao. Voalazan’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana fa dahalo namono olona ity olona niaraka tamin-dramose ity ary ity farany koa dia voalaza fa mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny asa ratsy, satria  nampiantrano sy niara-dia tamin'io zanak'anabaviny io. Tsy vitan'izay fa mbola ampangaina ho mpanao vola sandoka koa ny tenany. Nanizingizingina anefa ny havany fa «dia vola mbola noraisiny tao amin'ny banky tao Ambositra no tany aminy».

Ho an’ny fianakavian-dramose dia antsojay sy antony politika no nisamborana azy satria be mpahafantatra izy, ka mba hanakanana azy dia anisan'ny tetika atao izao fisamborana izao.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT