Actualités

Kamiao ho an’ny Kaominina Toamasina Nankaiza ilay tolo-bidy nolazaina fa natao ?


  • Alarobia 30 Mey 2012

Nandritra ny fitsidihana sy fanaraha-maso nataon’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Alain Mahavimbina, ny fanarenana sy fanavaozana ny Lapan’ny Faritra Atsinanana ao Mangarano II ny volana martsa teo, no nilazany ny fanaovana tolo-bidim-panjakana hividianana fiara vaventy roa hanampiana an’i Toamasina renivohitra amin’ny fanariana fako.

 Roa volana hiditra volana faha-03 anefa dia tsy mbola hita ny valin’ilay tolo-bidy natao sy ny pitsopitsony ho an’ny mpandraharaha sahy sy te hiditra tamin’izany. Raha ny fanazavan’Atoa Mahavimbina Alain ihany, dia ny Faritra Atsinanana no manao ny tolo-bidy saingy ny fiadidian’ny tetezamita no mandoa ny vola aminy, satria “fandaharan’asan’Atoa Andry Rajoelina, ity fanomezana fiara vaventy ny Kaominin’i Toamasina I hanalana fako ity”. Tsy fantatra izany hatreto na natao ihany ny tolo-bidy voalaza ity na tsia, ary tsy mbola fantatra ihany koa ny fotoana hahazoan’i Toamasina renivohitra ny fiara vaventy nampanantenana azy. Mety miandry ny fitokanana ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina nasiam-panarenana, angamba, ny fanomezana azy, sady vita ho azy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana. Mandrapaha dia miaina amin’izay kely ananany ny Kaominina. Ireo tsena goavana roa no tena henjehina isan’anadro dia Bazary Be sy Bazary Kely, ireo tsena hafa sy ny manodidina ny tanàna tsy voajery ka miangona ny fako, hany ka lasa fanariana izany hatrany ambany tetezana, Tanamakoa, Ankirihiry, Ambolomadinika, Hopitaly be sy ny lalan-drano samy hafa ao antampon-tanàna.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT