Actualités

Jovenna Ambalamanasy Karana hanao “versement” voatafika, lasa ny vola be 50 tapitrisa Ariary


  • Talata 30 Jolay 2013

Omaly alatsinainy fiatombohan’ny herinandro vaovao dia niharan’ny fandrobana nataon’ireo jiolahy mpitam-basy ihany koa ny vola ben’ny mpitantana ny tobin-tsolika Jovenna Ambalamanasy izay fananana teratany karana ihany koa.

 

 Nisy nanaraka tamin’ny moto scooter ity Karana raha handeha hanao “versement” ny vola azo nandritra ny faran’ny herinandro. Amin’ny 9ora maraina ny andro tamin’io. Vao tonga teo amin’ilay tetezam-by ao Ambalamanasy, miala 100m ny tobin-tsolika, izy dia mody nodonin’ireto jiolahy niisa 03 tamin’ny moto nentiny ilay fiara tsy mataho-dalana an’ilay Karana. Vao nahita izay ity farany dia sosotra ary nijanona ka nivoaka ny fiara nijery ny zava-nisy. Vao nivoaka ny fiarany anefa izy dia voambana basy PA avy hatrany teo amin’ny lohany. Ireo jiolahy roa ambiny kosa tonga dia naka ny vola be tao anaty valizy nipetraka tao aorian’ny mpamily. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny 50 tapitrisa Ariary, ary nanapoaka basy ireo jiolahy sady rifatra nitsoaka rehefa nanomboka nitangorona ny olona. Mandeha ny fikarohana.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT