Mpanao politika zanak’i Nosy-Be i Joseph Yoland izay loholona sy CST voatendry tamin’ity faritra ity. Nampanantsoin’ny zandary hanaovana fanadihadiana noho ilay raharaha fandorana olona niseho tao an-toerana farany teo ny tenany.
Tapitra ny fe-potoana 48 ora ahafahan’ny zandary mitazona azy saingy tsy navoaka hatrany izy hatramin’ny omaly. Fiantsoana ny olona hikorontana sy hanohitra ny zandary ao Nosy Be moa no iampangana azy. Nijoro manohitra izao fitohizan’ny fitazonana azy izao ny ankohonany notronin’ny mpisolovava ary ireo mpanao politika mpiaradia aminy ao amin’ny GEC (Groupe Eclaireur de Contact) sy ny Cellule de Crise. Nanamafy Rasolofo René, Sekretera jeneralin’ny GEC fa niditra mivantana tamin’ny onjampeo tao an-toerana i Mômy taorian’ireny zava-niseho ireny naneho ny alahelony sy niantso fitoniana ary niangavy ny tomponandraiki-panjakana hanao ny asany. Mifanohitra amin’izay anefa ny vaovao trandrahan’ny mpitandro ny filaminana izay milaza fa niantso ny olona hikorontana talohan’iny habibiana iny ity loholona teo aloha. Ny mpisolovava Hery Rakotomanana (filohan’ny CENI teo aloha) ihany koa dia nanamafy fa tsy idiran’ny olona arovany mihitsy ireny zava-niseho ireny. Ankoatra izay dia nanaja ny fampiantsoana azy izy sy mbola nanome ny porofo ny maha madio azy amin’ilay raharaha. Ho an’i Beza Seramila, zokiolona ao amin’ny GEC dia fanilihana andraikitra no ataon’ny fanjakana izay mitady olona ataony akalana eo anatrehan’ny tsy fahombiazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.