Joaquim Chissano

> Tonga indray


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Tena mafana ny tontolo politika eto amintsika amin’izao fotoana. Mihazakazaka ny toe-draharaha, taorian’ny famohan’ny CES ny lisitra vaovao ka nanilihana kandida 8. Tapa-kevitra ny hitarika olona hidina an-dalambe ny ankolafy Ravalomanana. Mandeha koa ny kajy ho an’ny ankolafy Rajoelina.

Nanao totoafo ny fanambarana avy any ivelany nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny CES ary mandrisika ny amin’ny hanatanterahana haingana ny fifidianana. Re izao fa ho avy eto Madagasikara indray amin’ity anio ity ny ekipan’ny SADC sy ny GIC M tarihan’i Joaquim Chissano sy Dr. Leonardo Simao miaraka amin’ireo mpanolotsaina isany Nuno Tomas sy Dr. John Tesha. Na dia milaza aza ny fanambarana ofisialy fa ho avy mba hijery ny fizotry ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana ireto iraky ny SADC ireto dia tsy tena fantatra mazava izay anton-diany marina, fa ny azo antoka dia hipasoka ny efa malama izy ireo ka hanamafy ny maha mety sy mitombina ny fanapahan-kevitry ny CES ary mety hanavao ny fanohanan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanohanana ny zotram-pifidianana, izany hoe ny famerenana ny famatsiam-bola.

Mety ho avy mba hanaitaitra ny CENI-T amin’ny famoahana ny datim-pifidianana vaovao ihany koa ry Joaquim Chissano. Iraka ihany ireto diplaomatin’ny SADC ireto, izany hoe misy ny mpaniraka azy, dia ny sehatra iraisam-pirenena, elatra Lafrantsa raha i Madagasikara no resaka. Mazava ho azy fa mety mbola handresy lahatra ireo kandida voailika mba hanaiky ny fanapahan-kevitry ny CES ireto delegasion’ny SADC ho avy anio ireto, koa dia ho hita eo indray ny ho tohiny. Tsy tena misy zava-baovao azo antenaina amin’izao fahatongavan’ny ekipan’ny SADC eto Antananarivo izao fa dia fanohizana ny fampiharana ilay didy fiton’ny GIC M no tena tanjona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT