Tany amin’ny havoananan’Antsahatanteraka Antsirabe no namaranana tanteraka ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin’ny omaly 04 septambra.
Nisy ny alim-bavaka lehibe teny amin’io toerana io ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady. Nisy tamin’ireo mpizaika no tojo tsy fahasalamana izay noraisina an-tànana tamin’ny toerana natokana handraisana an-tànana ireo mety ho tratry ny tsy fahasalamana. Am-polony maro no voalaza fa tratran’izany. Nanomboka ny 31 aogositra, nahatratra 60 ny fidirana an-tsehatra na “interventions” nataon’ireo mpitsabo mpilatsaka an-tsitrapo notarihin’ny Dr Rakitra Ranaivoson, hoy ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray. Ny 6 tamin’ireo no tranga nisy fahasarotana, izay tsy maintsy nalefa tany amin’ny ivon-toerana ara-pitsaboana manodidina. Tafiditra tao anatin’izany ny trangana tazo mahery, gripa mahery,… Maro ny tojo tsy fahasalamana noho ny hatsiaka mamirifiry hatrany amin’ny 7°C ny alin’io sabotsy hifoha alahady io. Nisy ihany koa ny tranga nahiana ho covid-19 saingy niiba ny valin’ny fitsirihana. Nahatratra 169 ireo fitsirihana ara-pahasalamana ny 3-4 septambra tao Antsahatanteraka, raha ny tatitra. Ny “bataillon médicale” izay niparika tamin’ny “sites” miisa 16 izay nandray ireo mpivahinin’ny JMJ kosa dia nitatitra fa 440 ireo nanao fizahana ara-pahasalamana nanantona azy, ka resaka tosidrà, gripa, “epilepsie”,… ny ankamaroany raha ny tatitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.