Manomboka miditra amin’ny fanapahana jiro amin’ireo biraom-panjakana tsy mahefa ny fandaniany ny Jirama Toamasina. Roa volana lasa izay no nisy ny fampahalalana ny tokony handoavan’ireo biraom-panjakana ny trosany amin’ny Jirama Toamasina.
Nisy ihany na izany ny fiantrana ireo mba nandoa tamin’ny ampahany sy izay zakany, fa ireo nanao be marenina kosa dia hiharan’ny fanapahana jiro avy hatrany. Ny ampahany amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, ny CISCO I sy II, CRJS, DREN, biraon’ny asam-panjakana, EPP Pointe Tanio – Le Conte des Lisle…izao no fantatra fa efa notapahan’ny Jirama tanteraka ny rano sy ny jiro tao aminy, rano fotsiny kosa ho an’ny EPP Maurice Guyot. Efa notapahana fa naverina rehefa nandoa ny trosany kosa ny Lycée teknika sy ny Lycée teknika zazavavy ary ny biraon’ny mponina sy ny raharaha sosialy. Ao anatin’ny hotapahana ato ho ato, araka ny vaovao nangonina kosa ny «Maison Blanche» misy ny biraom-paritry ny prezidansa, ny trano misy ny CIR na ny «Centre Informatique Régional» mikarakara fifidianana, ny trano misy ny biraon’ny oniversiten’i Toamasina, ny biraon’ny faritra ao Mangarano II mampiantrano ny distrikan’i Toamasina I, ny biraon’ny distrika Toamasina II…
Raha atao ny tombana dia mahatratra Ar.5.200 tapitrisa ariary eo ny trosa ananan’ny Jirama amin’ireo birao sy tranom-panjakana ireo, izay mitsinjara ho 1.430 tapitrisa (2008), 1.730 tapitrisa (2009) ary 2.018 tapitrisa (2010), ao anatin’izay dia ny oniversite Barikadimy no tompon’ny 4.067 tapitrisa ariary amin’izany ka ny 110 tapitrisa amin’io dia fandaniana herinaratra ny volana aprily 2011 fotsiny. Mbola hitohy hatrany ity fanapahana jiro sy rano amin’ny birao sy tranom-panjakana tsy mahaloa ny laniny ity, izay efa nampiharina tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana izao izay nahatonga ny trosa niainga ny taona 2008-2010 io, ary vao mainka niavosa tao anatin’ny krizy 2009-2011 izay tena tsy nisian’ny fandoavana mihitsy ho an’ny sasany efa mba nandoa ampahany teo aloha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.