Actualités

Jiro amoron-dalana eto Iarivo Hosoloina jiro mandeha amin’ny masoandro avokoa


  • Zoma 08 Janoary 2021

Hosoloina jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro avokoa ireo jiro amoron-

 

 

 

dalana rehetra eto an-drenivohitra hoy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina. Tetikasa roa vaovao ihany koa no hiarahan’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA (Service autonome de maintenance de la ville d'Antananarivo) miara-hiasa amin’ity taona ity ka ho tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako izay mampitaraina ny maro. Nivoitra ireo omaly nandritra ny fitsidihan’ny Ben’ny tanana ireo mpiasa teny amin’ny boriborintany faha-enina. Nambarany tamin’izany fa hisy ny tetikasa fanavaozana ireo fitaovana sy solosaina hampiasaina eny anivon’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra mba hanafainganana ny fandraiketana ny asa anaty solosaina. Hisy ihany koa ny fananganana birao vaovao ho an’ny boriborintany fahadimy eny Analamahitsy na Androhibe hoy izy. Inoana araka izany fa hanatanteraka ny teniny ity Ben’ny tanàna ity mba tsy handiso fanantenana ny vahoaka.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT