Actualités

Jirama Toamasina Tsy maintsy atao ny delestazy ?


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Ailiky ny olona sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny Jirama ny rihatra amin’ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny vono olona nirongatra be ao Toamasina noho ny hamaizinan’ny tanàna vokatry ny “delestazy tsy maintsy atao”.

 Izany no anisan’ny fanazavan’ny Tale iraisam-paritry ny Jirama, Raboto Thu Sion, teo imason’ireo olona nasain’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain nandinika mikasika ny resaka tsy filaminana tao Toamasina, omaly. Tsy nilavo lefona anefa ny Jirama Toamasina, ka nanome fanazavana ara-teknika sy ara-bola mahatonga izao tsy maintsy hisian’ny fanapahana herinaratra amin’ny kartie sasany izao. Fantatra ary izao fa tsy manana herinaratra afa-tsy 22MW ny Jirama Toamasina raha tokony ho 23MW isan’andro no ilaina hamatsiana ny tanàna. Ny antony dia tsy manome afa-tsy 9MW ny Jirama sisa ny ENELEC raha tokony hanome azy 19MW, araka ny fifanarahana hatrany am-boalohany. Ny fitaovana eo am-pelatanan’ny Jirama ao Volobe sy Tamatave III anefa dia tsy mamokatra afa-tsy 13MW. Ny fanazavan-dRaboto Thu Sion ihany no nahalalana fa ananan’ny ENELEC vola 20 miliara Ariary eo ny Jirama, ka nanapa-kevitra izy ireo hampihena ny herinaratra omeny. Eo koa anefa ny fahasahiranan’ny Jirama Malagasy vokatry ny trosa tsy voaloan’ny fanjakana mihoatra ny 20 miliara Ariary ihany koa, ka ao Toamasina ny 4 miliara Ariary amin’izany.

Ny Jirama anefa isan’andro dia mitady vola 4 miliara Ariary amin’ny solika hampihodinana ireo tobiny. Ankilan’izay, ny firongatry ny halatra andrin-jiro sy ny taribin’ny Jirama. Vao roa herinandro izao dia andrin-jiro vy am-polony mampitohy an’i Volobe sy Toamasina I no nisy nanapaka, noho ny firongatry ny famarotana fatim-by. Efa tariby 100km no nisy nangalatra izay mitentina 240 tapitrisa Ariary mampitohy an’ireo tanàna ireo, nefa nandanian’ny Jirama vola 108 tapitrisa Ariary ny fanarenana izany ny taona 2010 – 2011 mba hanatsarana ny famatsiana ny herinaratra. Nohamafisin’ny Jirama anefa, fa “raha mbola mitohy ny halatra tariby sy ny andrinjiro nefa ny ENELEC efa mampifilafila noho ny volany tsy voaloan’ny fanjakana, dia ho haizina eto ny tanàna atsy ho atsy, ka tokony hanamafy ny fanaraha-maso izany ny rehetra”.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT