Actualités

JIRAMA Nitombo avo 4 heny ny faktioran’olona sasany


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Resaka fotsiny no betsaka raha ny mikasika ny vahaolana momba ny JIRAMA no jerena.

Mitohy ny fikaikaikan’ny mpanjifa manoloana ny fidangan’ireo faktiora ao anatin’ny efa fitsitsiana ny herinaratra ampiasain’ny isan-tokantrano nefa mbola ampian’ny delestazy trotraka ihany koa. Tantara mitohy efa nandeha foana, hoy ny mpanao hatsikana, Gothlieb, nibabababa mihitsy fa mafy ity! Gaga avo 1000 heny mihitsy teo am-pijerena ny sarany asaina aloha ato anaty faktiora. Efa 3 na 4 volana izay tsy manao “auto relevé” na fanisana intsony . Nitovitovy teo ihany ny tarehimarika. Misy mpiasan’ny JIRAMA tonga ihany dia mijerijery sy manao “relevé” teo ihany izy . Fa ity faktiora volana aogositra ity dia avo 4 heny amin’ny nahazatra teo. Ny ao amin’ny tranon'i mamanay io. Mpatory aloha be. Fampiasana jiro tsy miova, delestazy eo ihany. Tsy maintsy ho any indray izany hanontany an'ity? Jiro tapaka misasakalina. Ato amiko indray ity. Na mizatra mitadidy ny toeran'ny fandrehetana sy famonoana jiro aza dia tratra foana. Ny anay koa misy mivadika moa. Maty alina be ilay jiro. Matory ny tena. Mifoha maraina fa mirehitra daholo kay. Tsy hay hoe tamin’ny firy no niverina? Zava-misy ka tantaraina! Mampitombo faktiora foana! Fa ilay vola aloha na izany aza mahagaga be, hoy hatrany i Gothlieb.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT