Jiolahy nikoizana

> Najedaky ny Emmo-Reg i Gae sy Ralava


  • Alakamisy 05 Septambra 2013

Maty voatifitry ny Emmo-Reg noho ny fikasany hitsoaka (?) tamin’ny lalam-pirenena faha-05 i Gae sy Ralava, jiolahy nikoizana nampihorohoro tao Toamasina sy Foulpointe iny.

Nandritra ny fitondrana azy ireo, niala tao Mahavelona Foulpointe hoentina ao Toamasina no nahafaty azy ireo. Araka ny fanazavan’ny zandary kolonely Rakotobe Willy sy ny kaomisera Ramananandro Gabriel, dia nohararaotin’ireo jiolahy ireo ny fotoana nangatahan’izy ireo mba hivalan-drano ka nikasan’i Gae sy Ralava hitsoaka, tao anaty haizim-bolana amin’ny telo ora maraina, sady mangina tsy nisy mpivezivezy noho ny faharatsian’ny RN5. Na niezaka ny nampijanona azy roa lahy tamin’ny tifi-danitra aza ny Emmo-Reg, dia tsy nahasakana azy ireo ka niafara tamin’ny fitifirana ka nahafaty azy roa lahy. Tsy naninona kosa ireo namany roa lahy dia Ramiaramila sy Ravo. Nanampy fanazavana ny teo anivon’ny Emmo-Reg fa nahazo fandrahonana tamin’ny ekipan’i Gae sy Ralava ny borigadin’ny zandary Mahavelona Foulpointe, fa ho avy izy ireo hanafika ny toby sy haka ny namany, ka voatery nalaina andro alina hihazo an’i Toamasina renivohitra izy ireo ny talata alina, omaly rahateo no nanolorana azy ireo ny fampanoavana. Misy vehivavy roa mpanafina sy fipetrahan’izy ireo koa tratra niaraka taminy, ary hiakatra fitsarana ihany koa. Tranombarotra, toby mpaninjara solika ary mpandraharaha maro no efa lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto. Vehivavy sy tovovavy maromaro ihany koa naolan’izy ireo nandritra ny fanafihana mitam-basy ataony.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT