Jiolahy nikoizana

> Lavon’ny balan’ny miaramila i Sheila


  • Talata 18 Martsa 2014

Mitohy ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana any amin’ny Faritra Alaotra iny, indrindra ny ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.

Ny faran’ny herinandro teo dia nifanenjika tamin’ireo jiolahy malaza ho mpampihorohoro ny tapany avaratra ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka ny mpitandro ny filaminana. Nisy ny fifanjevona tao Ambohitresana ka lavon’ny balan’ny miaramila tamin’izany i Sheila nalaza tamin’ny halatra omby sy ny fampihorohoroana ny mponina. Manana fitaovam-piadiana mahery vaika ny lehilahy ka izany no entiny rehefa manao ny asa ratsy izy. Soa fa kinga ny mpitandro ny filaminana ka na nampiasa basy aza ity olon-dratsy dia ny an’ireo miaramila no tonga aloha. Efa natetika nisazy izy, saingy rehefa tafavoaka dia mamerina ny asa ratsiny. Nisy fotoana efa nampangain’ny toaka nosotroiny i Sheila ary dia nosamborin’ny polisy tamin’izay. Marihina fa na dia misotro toaka aza izy dia tsy misaraka aminy ny basy. Mahatsiaro ho afaka fijaliana ny mponina amin’izao nahafatesan’ny lehiben’ny jiolahy tany any amin’iny tapany avaratra ny distrikan’Ambatondrazaka iny izao.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT