Jiolahy namono polisy

> Tratra i Salomon sy Arnaud


  • Zoma 27 Septambra 2013


Saron’ny polisy misahana ny heloka be vava ireo jiolahy namono polisy tao Mangarano II ny 30 aprily 2013 sy teratany frantsay tao Mangarivotra ny alin’ny 13 febroary, Toamasina. Nambaran’ny kaomisera Ramilison Celestin nitarika ny fanadihadiana fa efa ela no nikarohana ireto jiolahy ireto. Vokatry ny fiaraha-miasa tsara tamin’ireo tsara sitrapo dia tratra izy ireo. Tsatok’antsy in-7 no namonoan’i Salomon sy Arnaud ilay polisy, miasa eo anivon’ny Madarail tao Mangarano II. Izy mirahalahy ireto anefa dia efa voatana am-ponja vonjimaika noho ny fanendahana ho an’i Salomon ary nandratra olona mafy kosa i Arnaud. Omaly tolakandro no niakatra fitsarana izy mirahalahy ireo miampy namany telo hafa tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay teratany frantsay, ka fandefasana am-ponja vonjimaika no didy savaranonando navoakan’ny mpitsara mpanao famotorana ho azy dimy lahy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT