Jiolahy mpanakan-dalana

> Naratra mafy saika matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013


Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ary sendra ny nahay azy. Jiolahy iray no naratra mafy ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambohimahasoa rehefa tratran’ny olona tao ambony entan’ny mpandeha taksiborosy Sprinter iray hiakatra aty an-drenivohitra. Fiara tsy mataho-dalana iray avy aty aorian’io fiara mpitatitra io no nahita ny zava-nisy nanome toromarika ny mpamilin’ilay taksiborosy. Noheverin’ilay mpamily fa naman’ireto jiolahy anefa ilay olona tao anaty fiara 4x4 ka nampitombo ny hafainganam-pandehany avy hatrany ilay mpamily taksiborosy. Tsy afa-niala tao ambony entana anefa ny iray amin’ireo jiolahy, nandritra izany fotoana izany, ka tao an-tampon-tanànan’Ambohimahasoa vao nijanona ny fiara. Vao nidina dia niharan’ny daroky ny olona ka naratra mafy ary tsy maintsy nentina notsaboina haingana teny amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana dia jiolahy mpanakan-dalana ikoizana sy nampitondra faisana olona maro ao Alakamisin’Ambohimahasoa ireto jiolahy ireto.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT