Actualités

Jiolahy mpamaky trano teny Alasora Voasambotra teny Manarintsoa Isotry


  • Sabotsy 30 Jolay 2016

Saron’ny mpitandro ny filaminana eny Ilanivato Anosipatrana ny alatsinainy 25 jolay lasa teo teny Manarintsoa Isotry ny lehilahy iray mpivarotra entana halatra antsoina hoe : Vazaha.

 

 Avy amin’ny olona tsara sitrapo teny Ilanivato teny no nahazoana ny vaovao ka nahatonga ireo mpitandro ny filaminana ao an-toerana hihetsika. Nanoro ny namany telolahy avy hatrany i Vazaha nandritra ny fisamborana azy. Tamin’ny fanadihadihana natao  tamin’izy ireo no nahafantarana fa ny alin’ny alahady 24 jolay hifoha ny alatsinainy 25 jolay 2016 no namaky trano teny Alasora izy efa-dahy ireo. Groupe électrique, pompe à eau, convertisseur, batterie ary  entana tao anaty baoritra maromaro no lasan’izy ireo tamin’izany. Ireo entana rehetra ireo izay efa lafo avokoa afa-tsy ny groupe électrique ihany. Marihina moa fa i Vazaha   no tompon’ny  hevitra  rehetra ary efa nigadra  enim-bolana  tamin’ny resaka halatra tany Ambatondrazaka  izy ny taona 2014. Mbola misy namany iray hafa kosa karohina izay voalaza fa manana basy P.A. Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo izy ireo ary efa manefa ny heloka vitany eny Antanimora.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT