Saron’ny polisim-pirenena nandritra ny fisafoana tao Andranomafana ny alin’ny zoma 28 Martsa teo ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika tao Antsirabe.
Mahamahana ny fihetsik’izy ireo ka avy hatrany dia nanontany sy nisava ny polisy. Nahitana basy vita gasy iray niaraka tamina bala maromaro tany amin’izy telo lahy. Vao nanontaniana izy ireo dia nibaradaka sy niaiky fa nikasa hanafika magazay tao Avaratsena io alina io, saingy mbola betsaka olona nifamezivezy ka niverina aloha ary saika hanafika tao Andranomafana no izao voasambotra izao. Nanoro ny olona izay nividianana ny basy sy bala izy ireo ka tany Betafo no toeram-ponenan’ilay namany.
Rehefa nidina tany ny polisy dia mbola nisy basy vita gasy iray hafa koa sarona niaraka tamina bala maromaro sy fitaovana hafa nanamboarana azy. Mbola nanonona anaran’olona hafa ihany koa ity voalaza fa mpamboatra basy ity, izay vehivavy iray anisan’ny mpiray tsikombakomba amin’izy efa-dahy voasambotra ireto ka tafakatra dimy ny isan’izy ireo. Natolotra ny fitsarana omaly Alatsinainy moa ireto olona voasambotra ireto ary tazonina am-ponja vonjimaika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.