Jiolahy mitam-basy

> Tratra i Lahiniriko sy mpianatra iray ao Barikabimy


  • Alarobia 21 Aogositra 2013

Niaiky ny polisy fa tena sarotra ny manenjika ireo jiolahy mitam-piadiana ao Toamasina.

Nomarihan’ny kaomisera Andriamampionona Ramaromanompo Romule Freurys mpitarika ny “Unité d’Intervention Rapide (UIR)” anefa fa tsy miraviravy tanana amin’ny fanenjehana ireo jiolahy ireo ny mpitandro ny filaminana. Nisy ary ny vokatra azon’izy ireo ny alahady teo tokony ho tamin’ny 12ora antoandro nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo. Tovolahy roa nitaingina moto scooter no nahamailo azy ireo noho ny fivezivezeny  tao Tanamakoa – Ankirihiry – Tanambao V. Nosakanana ilay moto ary nosavaina ny tao anatiny ka teo no nahitana basy nasiam-panamboarana nentin’i Lahiniriko R., 27 taona, niaraka taminy i B.R, 26 taona, mpianatra taona faha-3 ao Barikadimy. Nitohy tamin’ny fisavana ny tranon’i Lahiniriko ny raharaha, ka tratra tamin’izany ny menaka sy ravin-drongony, vola sandoka 20.000 Ariary, akanjo sy satroka polisy. Nitohy tamin’ny namany iray izay mbola ifampitadiavana ny fisavana ny trano, ka tratra tao ireo moto 04 fanaovan’izy ireo “opération”. Manana mpisolovava miaro azy i Lahiniriko izay zony araka ny lalàna. Omaly hariva no niakatra fampanoavana ny raharaha; ka raha ny vaovao farany dia miandry fitsarana am-ponja i Lahiniriko sy ilay mpianatra ao Barikadimy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT