Jeunes Patriotes de Madagascar

> Tsy mendrika hofidiana ireo vondron’ny kandida


  • Alakamisy 22 Aogositra 2013

Raisin’ny «Association des Jeunes Patriotes de Madagascar» ho tompon’andraikitra amin’ny fanintsanan’ny CES ireo kandida telo be mpanohana ny «Collectif des candidats».

Na ity vondrona ity na ireo kandida tsirairay mandrafitra azy mantsy dia samy nitaky ny fanesorana an’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka avokoa. Manainga ny olom-pirenena tsy hifidy an’ireo kandida ao anatin’ity vondrona ity ny «Association des Jeunes Patriotes de Madagascar» izay mihevitra fa tsy mendrika ho filoha izy ireo. «Notsikafonin-dry zareo ny dosie maloton’ny vondron’ny kandida izay nambarany fa olona voarohirohy ara-pitsarana ny sasany. Amin’ny «Association des Jeunes Patriotes de Madagascar» dia rajakom-bazaha ampiasain’ny vahiny izy ireo. «Mifohaza ny Gasy», hoy ny antso ataon’ireto tanora ireto amin’ny Malagasy sady takiany koa ny fahafahan’ny olom-pirenena mirotsaka ankahalalana araka ny voalazan’ny tondrozotra rahateo, hoy izy ireo.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT