Actualités

Jet nitondra ny Filohan’ny FAT «Tsy nisy sabôtazy», hoy ny jly Ravalomanana


  • Alakamisy 05 Mey 2011

Nilaza ireo tompon’andraikitra nanao famotorana omaly fa tsy nisy sabôtazy tamin’ilay fiaraminidina nitondra ny filohan’ny FAT ny 28 aprily teo.

Nilaza ny jeneraly Ravalomanana Richard fa olana ara-teknika tanteraka no nahazo ilay fiaramanidina, olana mpahazo ny fiaramanidina rehetra. Nilaza ihany koa izy fa araka ny tatitra nataon’ny manampahaizana mikasika ny teknikan’ny fiaramanidina dia “calculateur” no nisy fahavoazana tamin’ilay izy. Olana izay nambarany fa tsy tokony ho nisy fiantraikany tany amin’ny fisidinan’ilay fiaramanidina mihitsy. Tamin’izany ihany koa no nilazan’ity jeneraly ity ampahibemaso omaly fa diso ny filazana hoe nisy olona niditra nialoha tao anatin’ilay fiaramanidina. Misy “code” no miditra ao amin’ilay Jet, hoy izy ka tsy ny olon-drehetra akory dia afaka hiditra ao. Ankoatra izay dia voara-maso amin’ny antsipiriany izay olona miditra ao anatin’ilay fiaramanidina satria anisan’ny raitra ilay izy. Misy miambina tsy miato ihany koa ity fiaramanidina ity fa tsy hoe mipetra-potsiny.

Diso avokoa ny resaka sy tati-baovao ankoatra izay. 30 minitra taorian’ny nijanony teny Ivato dia afa-nihetsika ilay fiaramanidina ary nikasa ny hisidina ho any Dubai avy hatrany. Ireo mpitandro ny filaminana, araka izany, no nanakana ilay fiaramanidina tsy nandeha tamin’io. Ny ampitso kosa anefa dia afaka nihazo an’i Dubai avy hatrany ilay fiaramanidina niaraka tamin’ireo mpanamory amerikanina roa.

 
Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT