Actualités

Jerry Rakotoarijaona “Tsy misy miaro ny mpanao heloka eto”


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Isaky ny 10 taona no havaozina ny lisi-pifidianana, noho izany, manaraka ny lalàna tsara isika mikasika an’iny, hoy ny mpandrindra ny vondron’ny tanora mitady fanovana eto Madagasikara na JPRM, Jerry Rakotoarijaona.

Antoky ny fahadiovan’ny fifidianana io, hoy izy. Ny voaheloka ka very zo rehefa namoahana didy ihany no tsy mahazo mifidy fa tadidio. Zo fototra ny mifidy ka raha misy manao fanentanana na fanambarana mifanohitra amin’izany dia fanitsakitsahana sahady ny zon’olombelona izany satria ilay zo hifidy mihitsy izany no tiana halana amin’ilay olona iray. Mikasika ny ady ao Okrainina dia mazava ny safidintsika hoe tsy momba an’iza na iza manoloana io ady io. Efa nalana tamin’ny toerany ny minisitry ny raharaham-bahiny. Mikasika ireo raharaha maha be resaka eny amin’ny antenimieram-pirenena dia mampametra-panontaniana ny zava-misy. Aza adinoina fa ny hitantsika tamin’ny tambazotran-tserasera aloha hatreto no hitondrantsika ny fomba fijerintsika fa inoana fa hiasa amin’ny fanadihadiana lalina ny mpanao fanadihadiana sy fitsarana. Tsy misy mpiaro manao heloka eto. Niarahantsika nahita fa vao tsy nanaraka fitsipika nifampitondrana ny minisitra dia nalana tamin’ny toerany. Tsy ny fitondrana ankehitriny mihitsy no hanao kiantrano an-trano na hiaro olona manao meloka. Maro ihany ny tomponandraikitra efa nalana tamin’ny toerany toy ny governoran’Alaotra mangoro sy talem-paritra sasany. Fanontaniana mipetraka ny hoe ny maha vadina minisitra ny filohan’ny CENI ve, ohatra, no nanendrena azy ho filohan’ny CENI? Diso avy hatrany izany satria nofidiana ireo mpikamban’ny CENI ireo ary nanao fianianana fa hanao ny asany araka ny lalàna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT