Hafakely sy hiavaka indray ny fampisehoana hatolotr'i Jerry Marcoss ho an'ireo mpankafy azy eto an-drenivohitra ny 21 aprily ho avy izao, Alatsinain'ny Paska eny amin'ny Coliseum Antsonjombe.
Ankoatra ny gadon-kira kawitry izay nahafantarana azy mantsy dia hisy ny fiarahany amin'ireo mpanakanto vahiny toa an'i Dany Engobo - Les Coeurs Brisés -, mpanakanto Afrikanina izay hitondra ny afro zumba kawitry. Hifanakalo traikefa amin'i Jerry Marcoss izy ireo raha araka ny fanazavan'ity farany ary hotendrena avokoa ny hira rehetra hamalifaliany ny mpankafy amin'io fotoana io. Nosafidian'ny Media Consulting izay mpikarakara ny hetsika sy Jerry Marcoss ireto mpanakanto vahiny roa ireto noho izy ireo efa nalaza be sy nahasarika olona hatramin'ny taona 1990 no ho mankaty.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.