Tsy olona mianjera ka ho tohanana ny kandidà Tabera Randriamanantsoa, hoy ny Talen’ny fampielezan-keviny ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand, fa mijoro io ka miaraka aminy mirodorodo izahay fa hametraka firenena vanona hanalana izao fahoriam-piainana mianjady amin’ny Malagasy izao.
Anisan’ny vahaolana hialana amin’izao krizy izao ny fifidianana, hoy izy, saingy fifidianana eken’ny Malagasy rehetra. Izany hoe, mila mifanaraka ny Malagasy samy Malagasy eto an-tanindrazana tsy idiran’ny any ivelany. Fa rehefa Gasy samy Gasy no miresaka dia mifankahazo tsara. Ny fametrahana tontolo manodidina izany fifidianana izany aloha no tokony hatao, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Tontolo voalohany : lazaina, hoy Razakarimanana Ferdinand, fa 7 tapitrisa no isan’ny mpifidy (navoakan’ny Ceni-t) nefa tamin’ilay “referendum” 2010 dia 10 tapitrisa izany. “Doublon” izany ny elanelana nisy ka azo ambara fa tsy ara-drariny iny “Référendum” natrehana iny. Homeo anay marina ny isan’ny mpifidy marina fa misy noverezin-jo be dia be ao. Tontolo iainana faharoa : aoka mba ny mizaka ny zom-pirenena Malagasy tokana ihany no mirotsaka ho fidiana fa ireo mizaka zom-pirenena roa (Malagasy sy vazaha) dia tanindrazany fotsiny i Madagasikara fa tsy fireneny. Izahay no niharitra ny fahoriana niaraka tamin’ny vahoaka Malagasy teto nefa ianao tonga amin’ny fisainana frantsay dia milaza fa hoe izao sy izao no tokony hatao… Tia ny Malagasy aho fa tsy tia an’i Madagasikara, hoy ny jeneraly Razakarimanana, satria ny vazaha tonga eto koa mba milaza ho tia an’ity tanintsika ity. Izay tonga teo amin’ny fitondrana tsisy nivakiloha tamin’ny vahoaka izany satria azy ny fahefana. Ny olana teto amintsika dia ny fahefana no ambonin’ny lalàna fa tsy ny lalàna no mifehy ny fahefana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.