Actualités

Jeneraly Ravalomanana “Tsy nahalala izahay hoe handeha hividy mofogasy izy”


  • Zoma 11 Jona 2021

Nilaza omaly ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Ravalomanana Richard,

 

eo anatrehan’ny sakantsakana atao amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa manao ny asany ara-dalàna ny zandary, “police de la route” no ataony, tsy ieny ihany no ataon’ireny fa isaky ny lalàm-pirenena, eny Ambatolaona, Tsinjony, Ankazobe,… ary azo hamarinana izany, hoy ny jeneraly Ravalomannana, mikasika ilay zava-niseho teny amin’ny R3 ny faran’ny herinandro teo. Tsy marina ny filazana hoe: handalo any ny fiara mitondra an’I Marc Ravalomanana dia any no sakanana. “Izahay tsy nahalala hoe: handeha hividy mofogasy any Mangamila ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, tsisy niteny an’izany, ary izahay tsy nahalala an’izany mihitsy, fa ny fiara mandalo dia fiara takelaka mainty, manao “véhicule prioritaire”, tsy mitondra marary, tsy hoe haninona fa mandeha fotsiny, mandeha mafy tsy manaja ny fandaminana ataon’ny zandary. Tsy nahafantatra ny zandary hoe handeha ho any Mangamila izy. Anontanio ny zandary raha misy mahalala na nilazany hoe: ho any izy. Ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana, andininy 126-127, dia “officier de police judiciaire”, “agent de police judiciaire” ireo zandary ireo na lazaina fa kely aza, ianareo mihevitra anareo ho ngezabe azon’ireo atao fanadihadihadiana sy tazonina ianareo, hoy io jeneraly io. Inona no tombotsoan’ny zandary hisakana azy eny an-dàlana? Hoy izy. Mitana ny sain’ny maro hatrany io resaka io, ary samy manana ny handroritany azy. Ny tsy azo lavina, dia hatry ny ela no nisy ny toa zavatra manokana hikendrena an’I Marc Ravalomanana. Isan’ireny ny fanarahana hatrany am-piangonana tany Soavinandriiana Itasy volana maro lasa izay, izao indray toa eny amin’ny làlam-pirenena haleha. Tena asa ara-drariny sa baiko politika ny an’ny mpitandro filaminana sasany? Inona no hanazavana an’ily fandefasana zandary hitsikilo sy hanara-maso etsy Faravohitra sa hoboriboriana amin’ilay hoe: ho fiarovana ny ain’I Marc Ravalomanana, kanefa izy ary toa tsy ampahafantarina izany?

 

Toky R

 

Haut du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT