Actualités

Jeneraly Ravalomanana Richard « Tsy olonolom-poana no mahavita trafika be »


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny ladoany no miaraka manao ny

 

 

 

famotorana momba ilay fahatrarana volamena 73,5kg tany Johannesbourg Afrika Atsimo. “Tsy olonolom-poana no tafiditra ao anatin’ilay trafikana , izay efa manakaiky ny 100kg. Olona 5 no saika handeha, ny 3 nandeha, fa ny 2 nijanona. Ny iray tratra, ary ny iray mbola karohina, izay tsy maintsy ho tratra na ho aiza na ho aiza. Ny petra-kevitra, dia misy lanjany ny olona mandeha fiaramanidina, ka izay no nanajanonana ny sasany nasolo ilay volamena. Trafika ilay izy, ary an-tsokosoko. Misy hatramin’ny hoe fotoana namonoana ny “caméra de surveillance”. In-dimy tato ho ato no nivoaka avy any ivelany ny olona isan’ny tafiditra ao anatin’ny afera”, hoy ny sekreteram-panjakana Miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard. Tena fanondranana an-tsokosoko sy tsy misy taratasy ara-dalàna izany, fa hosoka. Nisy ny tsikombakomba sy tamin’ny famoahana azy mazava ho azy. Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay antsoina hoe Mahamodo Mahavanona no atidoha nikotrika ny fanondranana. Efa mpanondrana volamena ikoizana io ary efa nigadra im-betsaka, hoy io resaka niely io. Ny 31 desambra teo no niala teto Madagasikara ilay fiaramanidina nofaina. Misy firaisana tsikombakomba be tao satria tsy nisy nisava ny “valise” natao “bagage à main”, nefa tao ilay volamena fa tsy tamin'ny entana hafa mody nentina, hoy ny fanazavana. Zanaka mpanao politika iray, efa malaza eo amin'ny lafiny fikarakarana lanonana na “événementiel” io olona iray farany mbola karohina io izay tao anatin'ny tambazotra tanteraka, hoy io resaka niely io. Tazonina any Afrika Atsimo ireo 3 tratra tany, ary nahemotra ny 12 janoary izao ny fakan’ny fitsarana am-bavany azy ireo. Midika zavatra betsaka io fehezantenin’ny SEG io hoe tsy olonolom-poana no tafiditra ao anatin’ilay trafika.Midika izany fa olona matanjaka, manana ny maha izy azy , manana fahefana afaka mampiteny vola sy manao lava tanana etsy sy eroa.Koa samy miandry ny mety ho vokatry ny fanadihadiana izany ny rehetra.

VOLA BE

Avy any ivelany indray no afahafantarana trafika goavana tahaka izany. Tambajotra ny manao an’io, tsy afa-miala ny fiaramanidina raha tsisy ny fahazoan-dàlana. Mitentina 45 tapitrisa dolara eo ho eo ireto volamena ireto niampy ny vola vahiny naika haondrana tratra niaraka taminy, ka tsy mampino hoe tena tsy naharaka an’io ny Fanjakana, hoy ny Firaisamonim-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT