Tafiakatra 10 no olona voasambotra amin’ny savoritaka tao Imerintsiatosika
nahafatesan’ilay lehilahy antsoina hoe Liva Jacks, raha ny fampitam-baovao. Avy amin’ny filazan’ny olona tsara sitra-po ihany no nahazoan’ny zandary loharanom-baovao. “Naheno an’izany aho hoe nisy ny fikasihan-tànana. Ny fanadihadiana no mitondra azy, fa raha misy olona manana porofo dia raisina tsara, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard. Ny borigady misahana ny fandikan-dalàna sy ny heloka bevava eny Fiadanana no nandray an-tànana ny fanadihadiana. Nanamafy kosa ny SEG fa tsy nisy fitifirana, ary nisaina ny bala taorian’izany. Tsy ekena mandrakizay ny fanafihana toby, fa azo atao ny mitifitra indrindra fa amin’ny andro alina. Miangavy aho, aza manao an’izany intsony na fanafihana toby io na lakazerina io, na fonja io, fa matimaty fahatany”, hoy ity manamboninahitra ambony ity. Toa mampitamberina sy mampahatsiahy ny raharaha 07 febroary 2009 ity raharaha ity .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.