Actualités

Jeneraly Ratrimoarivony Guy Ny fahantran’ny vahoaka no fototry ny tsy fandriampahalemana


  • Alatsinainy 11 Martsa 2013

Rehefa dininhana tsara ity resaka tsy fandriampahalemana ity, hoy ny Jeneraly misotro ronono Ratrimoarivony Guy, dia fantatra fa miainga amin’ny fahantran’ny mponina izy io amin’ny ankapobeny. Tena mihamahantra ny olona, hoy izy, fa tsy misy ny asa ara-dalŕna ataony.

Ny azy teo aloha teo, raha tsy hiresaka afa-tsy ny orinasa afakaba fotsiny isika dia ireny nakatona noho ny safidy politika ireny. Goavana loatra ny hantsana manelanelana ny mpanana sy ny mahantra eto amintsika ka anisan’ny fototry ny tsy fisian’ny fandriampahalemana koa izany. Ilay rafitra ankapobeny eto amintsika mihitsy izany no tokony hamboarina fa tsy hoe asiana miaramila be dia be atsy na vatsiana fitaovana be dia be ny aroa dia hisy ho azy eo ny fandriampahalemana. Ny paikady aminay, hoy ity Jeneraly misotro ronono ity, dia tsy misy afa-tsy ny fanamboarana ny rafitra amin’ny toerana misy azy.

Tokony samy hanao ny asany ny fahefana fototra telo eto amin’ny firenena, dia ny mpanao lalàna sy mpanatanteraka ary ny fitsarana, ary tsy mifampitsabaka andraikitra. Toy izany koa ny olom-pirenena isanisany. Ny mpanao gazety, ohatra, dia manana adidy hitrandraka vaovao, hampita izany amin’ny mpiara-belona ary manabe vahoaka ihany koa. Ny fiarahamonim-pirenena dia tokony hilaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra ary manabe vahoaka ihany koa, izay no tena asany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT