Actualités

Jeneraly Rakotonandrasana Noel Navoaka ny fonja omaly


  • Talata 16 Aprily 2013

Nahazo fahafahana vonjimaika ary dia navoaka ny fonjan’Antanimora nitazonana azy ny jeneraly Rakotonandrasana Noel.

 Mpikambana tao amin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena ity jeneraly minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha ity, ary voarohirohy ho nikasa hanongam-panjakana tao anatin’ny raharaha BANI tamin’ny 17 novambra 2010. Ny Jeneraly Rakotonandrasana Noel sy ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina, tamin’ireo miaramila nanohana ani Andry Rajoelina tamin’ny 2009, no sisa tavela tany am-ponja noho io raharaha BANI io. Mitsabo tena atsy amin’ny Nosy La Réunion ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina rehefa saika namoy ny ainy tao am-ponjan’i Tsiafahy.

Tsy misy resaka ny aminy hatreto, izy rahateo moa any ivelany, fa dia ny Jeneraly Rakotonandrasana Noel izany no nahazo fahafahana vonjimaika io. Omaly efa maizimaina, nanodidina ny tamin’ny fito ora hariva izy no niala an’Antanimora namonjy ny fianankaviany. Nisy zandary roa voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN ihany koa re fa navotsotra omaly. Fifanandrifian-javatra sa pi-maso amin’ireo mpanelanelana vahiny, tarihin’i Joaquim Chissano, manao tombana ny fampiharana ny tondrozotra ve ny namoahana azy ireo sa fahaleovantenan’ny fitsarana tanteraka ? Dia ahoana ny amin’ireo miaramila hafa toa an-dry jeneraly Raoelina, ny kolonely isany Jadifara sy Randriamihoatra, izay samy tafiditra tamin’iny raharaha BANI iny, sa noho izy ireo mpiara-miasa taloha tamin’i Marc Ravalomanana dia hafa no fijerin’ny fitsarana azy ireo fa rehefa ny hafa dia avadibadika ny tondrozotra, fa hoe hisian’ny fitoniana ? Na izany aza aloha dia efa dingana iray ny namoahana ny Jeneraly Rakotonandrasana Noel fa miandrandra dingana lehibebe kokoa ny maro, raha mikatsaka ny hisian’ny fitoniana marina ny mpitondra.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT