Mihazakazaka ny toe-draharaha eo anivon’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) taorian’ny nivoahany ho fanta-bahoaka ny trosa be miavosa baben’ity andrim-panjakana nomena andraikitra handamina ny fampihavanam-pirenena ity.
Tafakatra 70 tapitrisa Ariary ny trosan’ny FFM teo anelanelan’ny 2013-2015, amina mpandraharaha iray io, ny ankoatra izay tsy ferana. Nifamaliana teny ambony gazety sy haino aman-jery ny mikasika io trosa io. Niaro tena ny filohan’ny FFM Rabotoarison Sylvain fa efa nefainy ny ampahan’io trosa io, ny ambiny kosa mandalo ny ambaratongan-drafitra amin’ny fandoavana volam-panjakana ny fikarakarana azy. Etsy an-kilany, nanao fanambarana iombonana ny mpikambana efatra ao amin’ny Birao maharitry ny FFM, manipika mazava fa ny filohan’ny FFM ihany no tompon’andraikitra voalohany afaka mandoa na tsy mandoa izany trosa izany. Telo taona izao anefa tsy voaefa ihany ireo trosan’olona. Mahatsapa izahay, hoy Ramarolahy Albert, filoha lefitra faritany Fianarantsoa, Ratsara Laurent, filoha lefitra faritany Toamasina, Fida Cyrille, filoha lefitra faritany Toliara ary Razafimaharo Benjamin, mpampakateny ankapoben’ny FFM, tamin’ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo ny 14 jolay teo, fa tokony haloa tsy misy hatak’andro ny trosa, araka ny eo ampelatanana fa tsy harirarira lava izao. Mangataka ihany koa izy ireo mba hatsangana ny fiaraha-mitantana (Direction collégiale) mandra-pijoron’ny rafitra FFM vaovao sy mba handaminana ny raharaha anatiny sy hamahana ireo olana samihafa mety hanaratsy endrika sy hanetry voninahitra ity andrimpanjakana ity izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.