Actualités

Jeneraly misotro ronono Hanao fanambarana anio


  • Alarobia 23 Mey 2012

Taorian’ireo manamboninahitra kolonely mivondrona ao amin’ny «Cordination Nationale des Officiers» dia fantatra izao fa hanao fanambarana ihany koa amin’ity anio ity ireo jeneraly misotro ronono, mitondra ny anarana hoe «Groupe d’Ankerana».

 Eny Ambohibao, ao amin’ny trano fonenan’ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona no voatondro fa hanaovana izany fanambarana izany. Tsy mbola fantatra mazava ny votoatiny, saingy inoana fa tsy hivaona amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny anaran’ireto jeneraly misotro ronono ireto, ankoatry ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona, izay efa tsikaritra hatramin’izay tamin’ny fanehoan-keviny fa tsy dia mankasitraka firy ny fomba nitantanan’i Andry Rajoelina ny tetezamita. Inona no mety ho tohin’izao fanambarana misesisesy ataon’ny manamboninahitra am-perinasa sy misotro ronono izao ? Mba misy mihaino ihany ve izy ireo sa dia manao antso an-tany efitra fotsiny ? Mahaliana ny maro koa ny hoe : mety ho samborina ve ireo miaramila manao fanambarana ireo, ary inona koa ny hetsika mety hataon’izy ireo raha toa ka tena manao be marenina ny fitondrana tetezamita ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT