Actualités

Jeneraly Herilanto Raveloharison Nodimandry teo amin’ny faha 64 taonany


  • Talata 18 Janoary 2022

Nodimandry omaly maraina ny général de corps d'armée, Herilanto Raveloharison, rehefa nivahiny 64 taona teto an-tany.

Efa minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana ity manamboninahitry ny zandarimaria ity ary isan’ireo nosokajiana ho manam-pahaizana na « cerveau », hoy ny fiteny azy, tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny taona 2014 hatramin’ny 2018. Nivoaka tao amin’ny sekoly ambony iraisampirenena momba ny raharaham-panjakana ary ankoatry ny minisiteran’ny toekarena dia efa niandraikitra ny toerana maha minisitra mpisolo toerana teo anivon’ny minisiteran’ny angovo ko aizy. Efa minisitry ny tontolo iainana nandritry ny tetezamita ihany koa ny taona 2010 hatramin’ny 2012. Manana ny mari-pahaizana momba ny lalàna teny anivon’ny oniversiten’Antananarivo ary nivoaka teo anivon’ny sekoly ambony mpanofana ho mpitsara ihany koa. Efa filohan’ny komitin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena na CSI nanomboka ny 2012. Mpampiofana tao amin’ny sekoly ambony momba ny fitantanan-draharaham-panjakana na ENAM ary mpitarika velan-kevitra teo anivon’ny sekoly ambony momba ny lalana na ENMG. Ankoatran’izay dia mpisehatra mafana fo teo anivon’ireo fiangonana Kristianina zandriny ihany koa ny tenany. Mpitory teny sy mpitandrina teo anivon’ny fiangonana Foyer Evangélique International na FEICEP ary anisany nandray anjara tamin'ny fananganana ny fiangonana Finoana sy fanasitranana izy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT