Tsy raikitra moa ny baolina ny alahady teo, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, naneho ny alahelony noho ny fanakanana ny fitokanana ny kianja Surprise Anosizato.
Mazava, hoy izy. Anaty boriboritany faha 4 no misy anay ary misy solombavambahoakan’ny boriboritany faha 4 no tsy faly aminay. Na miditra ao amin’ny kianja aza moa tsy avela intsony izahay fa hoe mana-tompo ny tany. Hamafisiko hatrany fa tafiditra anaty reniranon’Ikopa ny sata misy ny tany. Rehefa miakatra ny rano dia tafakatra 3 na 4 metatra ny haavony tonga eny amin’ny kianja, izany hoe mandifotr’olona. Tsy azon’iza na iza hanorenana io. Ny tiako tenenina dia fitiavana tsy misy takalony no napetrako tao ary tsy manana eritreritra hanao politika aho ka hanakorontana firenena. Aza potehina ny tanora! Na iza na iza, na oviana na oviana, tsy tokony hisy afaka hanorina anatin’io kianja io satria miaro ny lemak’Antananarivo io. Rehefa mba maina kosa ny tany dia tokony mba afaka milalao ao ny rehetra. Resaka gafy politika io ary mahagaga ihany hoe renirano ve hisy hivarotra? Izahay moa izany efa nanapa-kevitra ny hamindra ilay lalao saika natao teo amina kianja hafa saingy na izany aza dia maniry ny mba hanomezana io kianja ion y tanora. Tsy tokony azo hanorenana eo, hoy hatrany ny tenany !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.