Hiova tanteraka ny tantaran’i Soaniedanana PK 67 manomboka amin’ny taona vaovao 2021 ho avy io.
Raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia hijery izay fomba rehetra ho enti-mampandroso ity tanana any amin’ny lalam-pirenena faha-4 ity ny tenany ka anisan’izany ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Hisy ny fananganana hotely any an-toerana hanomezana asa ireo tsy manana, ny fanokafana trano fandraisam-bahiny. Hisy ihany koa ny toerana hahafahan’ny olona miala voly sy mitsangatsangana. Efa mandeha amin’izao ny fanamboarana dobon-trondro tanterahin’izy ireo iarahana amin’ny fokonolona any an-toerana izay tsy tokony haratoana kosa fa jonoana hoy izy. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanohizana ilay fambolen-kazo izay nambarany fa lova tsara hapetraka ho an’ny taranaka na ho an’ny tontolo iainana izany na ny mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Vao ny andiany voalohany izay no vita soa aman-tsara asa hitohy mandavan-taona mandra-pitsahatry ny orana. Ny indro kely hoy izy dia tsy tratra ilay fampisehoana goavambe nokasaina hotanterahina noho ny fandalovan’ny rivo-doza Chalane saingy tsy maintsy hisy izany amin’ny datin’ny 10 janoary ho avy izao eny Soaniedanana ihany. Mpanankato maro no ho avy hanafana ny lanonana toa ny tarika Rebika, Nisaina Mavo lamba, José Satoub, kambana metal, raha ho avy hampiseho ny talentany ihany koa i Michel le Dragon.
Pati
Le
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.