Tao anatin’ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny mpikambana ao amin’ny Hafari Malagasy niaraka tamin’ny zokiolona sy ireo olon-tsotra manana olana efa nanatona azy ireo teny amin’ny Foibe Adama Anosizato Atsinanana omaly no nanamafisan’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina fa niabo ho azy ireo ny vokatra azo teo amin’ny fijoroana sy tsy fanekena lembenana tamin’ny fiarovana ireo niharan’ny tsindry hazo lena tamin’ny endriny rehetra. Mbola hotohizana amin’ity taona 2014 ity ny taona manaraka ihany koa ny ady amin’ny fanjakazakan’ny vahiny eto amintsika, indrindra eo amin’ny sehatra ny fananan-tany, ny ady amin’ny tsy maty manota sy ny tsindry hazo lena mahazo ny vahoaka madinika. Hohamafisina ny ady amin’ny fitiavan-tena sy kolikoly. Ka ambarako, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa tsy maintsy ho avy ny fandresena ho an’ny Hafari Malagasy na eo aza ny ramatahora atao mivantana amin’ny tenanay. Nambarany mantsy fa dia voaantso hatao famotorana eny amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana varavarana faha-31 indray ny tenany amin’ny 20 febroary izao. Tsy tena fantatra ny anton’ny fiantsoana fa ao amin’ity toerana ity aloha dia ady heloka bevava no hadihadiana ao. Ho avy ny tenako, hoy izy, satria azoko antoka fa tsy nanao heloka bevava aho ka tsy matahotra famotorana. Nisy moa tamin’ny famaranana ity fotoam-pifampiarahaban’ny Hafari Malagasy ity fanolorana vary ho an’ireo zokiolona mba ho solombodiakoho natolotra azy ireo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.