Jean Michel Henri

> Mampiditra “virius” ny PMP


  • Zoma 28 Febroary 2014

Tsy matin’ny vondrona MAPAR lolo ity resaka fanarahan’ny depiote tsy miankina an’izatsy na izaroa ity ka samy milaza ho maro an’isa avokoa ao anatin’izany na izy ireo na ny PMP.

Mety misy manao fitan-droa tokoa ao, hoy ny depiote Jean Michel Henri, noho ny fifanarahana tsy fantatra na misy fanomezana tombontsoa manokana angaha, nefa tsy dia olana aminay loatra izany. Mikasika ny fanendrena praiminisitra indray dia ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana no tokony hohajaina, hoy ity kestora voalohany ao amin’ny Antenimieram-pirenena ity dia milamina ny raharaha fa ankoatra izay, tahaka ny ataon’ny PMP, dia fampidirana «virius» fotsiny amin’ny raharaham-pirenena tsotra izao. Izahay mihevitra, hoy ity Kestora eny amin’ny Antenimieram-pirenena sady mpikambana MAPAR ity, fa diso lalana ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nampiantso fiaraha-miasa amin’ireo olona nanenjika azy fatratra tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny. Izahay MAPAR aloha dia tsy hanao antoko mpanohitra izany velively mihitsy fa niaritra ny mafy tamin’ny fitetezana vohitra nampandany azy ho filoha, niaritra ny nafitsoky ny dahalo tany an-tanànan’Androy tany, nahafoy vola aman-karena koa tamin’izany rehetra izany ka fanoherana inona no azo inoana anatin’izany ?

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT