Actualités

Jean Jacques Ratsietison “Mila hazavaina hoe mandaitra marina ve sa tsia ny CVO”


  • Alarobia 14 Aprily 2021

Mila manazava ity aretina ity amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana, hoy ny mpahaitoekarena sady filohan’ny antoko politika FMI Malagasy,

 

Jean Jacques Ratsietison. Be dia be no tsy mahafantatra ka minomino foana, hoy izy. Tokony manazava aloha ny fanjakana hoe mandaitra marina ve ilay CVO? Tsy mbola nisy porofo ara-tsiansa fa mahatohana io COVID io ny CVO. Tsy misy anaty fitondram-panjakana ho tratry ny COVID raha marina izany. Be dia be anefa no tratra. Misy depiote maty. Tokony tsy hamita-bahoaka fa hanazava amin’izay ny fanjakana hoe tsy miaro na tsy manasitrana ny CVO fa mitandrema ianareo! Ny miazakazaka any amin’ny vakisiny no tokony ataony. Nalefa tany Afrika ny CVO. Niaro an’I Andry Rajoelina daholo ny filoham-pirenena afrikanina maro hoe ny an’ny tandrefana rehefa fanafody aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana dia hosihoseny hoe tsy mandaitra. Nanandrana anefa zareo. Nanao “essai Clinique” I Nizeria sy Congo, ohatra, saingy tonga tamin’ny famehezana hoe mitovy amin’ny misotro rano mangatsiaka ny misotro CVO. Lainga tamin’ireny ny filazana hoe isika no kely maty indrindra fa narovan’ny CVO nefa misy tany afrikanina miisa 35 fara fahakeliny no vitsy noho ny teto no maty tany aminy. Ny 90%n’ny olona maty tamin’ny andiany voalohany tamin’ny COVID tany Frantsa koa, raha raisina ohatra, dia zokiolona maherin’ny 65 taona na mitaiza aretina. Tamin’ity vao nisy hoe na tanora aza tratra. Mila mitandrina amin’ny antsoina hoe “surcharge virale” no dikan’izay ary io no mila azavain’ny fanjakana. Famonoana olona faobe ny filazana fa miaro ny CVO. Betsaka lavitra noho ireo matin’ny COVID no matin’ny fahantrana teto, hoy hatrany ny tenany, ka ampidino amin’ny ampahefany ny vidim-piainana mba hampitombo ny hery anaty vatan’olona izay fanefitra voalohany indrindra. Mila mamoaka didim-panjakana hanafoanana ny MID sy hampiverina ny taham-bola tsy miovaova ny fanjakana, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT