Nanampy trotraka ny fahasahiranam-bahoaka ny vokatry ny rivodoza, izay loza voajanahary nefa raharaham-pirenena tsy maintsy hatrehina,
hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Jean Claude Rakotonirina. Nandalo teto ny rivodoza Ana izay namela takaitra tamin’ny toerana maro, hoy izy. Niarahantsika nahita ny fomba niatrehana izany. Andraikitry ny fitondrana tanteraka ny tsy maintsy miahy sy mitondra vahaolana manoloana izay fahasahiranana vokatry ny fiantraikan’ireny. Tonga koa Batsirai izay namela takaitra mafy dia mafy amin’izao fotoana izao any amin’iny faritra atsimo atsinanana iny. Vavolombelona nanatri-maso izany ny tenako satria nitondra ny delegasionina tany Mananjary mihitsy ny filohan’ny RMDM, Marc Ravalomanana. Efa mba nisokatra ny lalam-pirenena ka afaka nitsidika ihany koa ny ankoatran’I Mananjary saingy Mananjary moa no tena voa mafy. Niezaka nitondra ny vahaolana ho an’ny vahoaka ny Rodoben’ny mpanohitra. Mbola mitoreo ireo mponina any kanefa dia tsy hita taratra any mihitsy ny fiahiana sy fanampiana ny olona ao anatin’izany voina izany raha tamin’ny fotoana nandalovanay tany, herinandro taorian’ny fandalovan’ilay rivodoza. Na voly fihinana atao sakafo andavan’andro aza tsy nisy noraisina any, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.