Actualités

Jean-Christophe Beillard, ambasadaro Frantsay Miahiahy amin’ny tsy fandriampahalemana eto


  • Alatsinainy 16 Jolay 2012

Teny amin’ny “Résidence de France” teny Ivandry toy ny mahazatra no nanatanterahan’ny Frantsay niaraka tamin’ireo nasainy manokana ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenen-dry zareo, ny 14 jolay, ny sabotsy lasa teo.

 Anisan’ny tazana tao ireo masoivoho vahiny maro, ny solontenam-panjakana notarihan’ny minisitry raharaham-bahiny, Pierrot Rajaonarivelo, ny avy amin’ny ankolafy mpanohatra nahitana an’i Manandafy Rakotonirina... Kabary roa sosona no nohenoin’ny mpanotrona tamin’izany. Ny iray voalohany dia ny kabary diplômatika nataon’ny ambasadaro vaovaon’i Frantsa monina sy miasa eto amintsika, Jean-Christophe Beillard. Filazana amin’ny ankapobeny ny fifamatoran’i Frantsa sy Madagasikara ara–tantara sy ara-jeografika ary ara-pihariana ihany koa ny azy. Ananany amin’ny antsipirihany araka ny tarehimarika ny zava-misy rehetra eto Madagasikara sy ny ato anatin’ny Oseana Indiana iray manontolo.

Tsy afa-misaraka ny tantaran’ny firenena roa tonta, hoy izy, ka tsy maintsy manampy ny Malagasy tahaka ireo firenena Eoropeanina hivoaka amin’izao krizy izao ny Frantsay. Mampiahiahy azy tanteraka ny resaka ara-toekarena eto amintsika, ny ara-tsosialy ary indrindra ny tsy fandriampahalemana. Miandry an’i Madagasikara ny Fivondronambe Afrikanina, hoy izy. Mila mamerina ny famatsiam-bola avy any ivelany ianareo fa efa miandry ao ny vola 577 tapitrisa “euros” izay ampy hanaingana ny toekarena Malagasy indray. Ny fifidianana azo antoka sy eken’ny rehetra ihany anefa no antoky ny famahana ny krizy Malagasy ka mila CENIT matotra amin’izany. Nomarihany manokana fa manohana ny fampiharana ny tondrozotra i Frantsa.

Nataony tsiliantsofina ny zava-nisy tany Frantsa farany teo ka nahalany ny filoha vaovao François Hollande ary neken’ny rehetra fa izay no demokrasia ary ny 14 jolay dia tsy inona fa taratry ny fankatoavana ny vahoaka tompon’ny tolona sy ny fahefana. Ny kabary faharoa kosa izay nataon’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Pierrot Rajaonarivelo nisolotena ny filohan’ny tetezamita, dia kabarin’ny Malagasy havanana amin’ny sehatry ny literatiora. Nampitolagaga ny tompon-teny ny fahaizan-dRamalagasy ny antsipirihan’ny tantara frantsay niainga tamin’ny tantaran’ny “Prise de la Bastille” ary tonga hatrany amin’ny literatioran’ny taon-jato faha-17 (1621) nahazoan’ilay mpanoratra malaza Anatole France ny loka Nobel tamin’ny filazany fa mbola mampisalasala ny fiainan’ny ankehitriny sy ny hoavy. Efa nanampy anay niditra tamin’izao tetezamita izao ny Frantsay, hoy izy, mbola nanampy anay tsy tapaka tamin’ny famatsiam-bola asa sosialy isan-karazany ary inoanay fa mbola hanampy anay hatrany amin’ny fivoahana amin’ny krizy.

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT