Actualités

James Ratsima « Avoahy ireo mpianatra nogadraina »


  • Zoma 29 Janoary 2021

Avoahy ireo mpianatry ny oniversite nogadraina any Antsiranana, hoy Atoa James Ratsima,

 

 

 

 

anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny voamieran’ny Nosy miaraka amin-dRtoa Arlette Ramaroson mpahay lalàna iraisam-pirenena . Raha araka ny fanazavany omaly mantsy dia tapitra niantso sy nitaraina taminy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra any an-toerana no sady tsy manaiky izao fisamborana sy fanagadrana ny zanany izao ihany koa. Mampalahelo ny zava-misy eto amin’ny firenena hoy Atoa James Ratsima. Ireo mpianatra tokony hipetraka ao amin’ny campus indray no havoaka ety ivelany ka ireo mpitandro ny filaminana no lasa mibahan-toerana ao anatin’izany no sady hakana mpahandro sakafo matihanina ihany koa hoy izy. Tsy nisy ratsy nataon’ireo mpianatra ireo anefa hoy James Ratsima fa rano sy jiro tapaka no nampitokona azy izay tena zony feno tanteraka. Ho an-dRtoa Arlette Ramaroson manokana dia nambarany fa tsy manan-jo hijanona ao amin’ny oniversite ao Antsiranana ireo mpitandro ny filaminana. Iza loatra no lehiben’izy ireo hoy izy no dia manao fihetsika mihoatra noho ny lalana manan-kery tahaka izao ? Miantso ireto farany mba hivoaka ety ivelany araka izany ity mpahay lalana iraisam-pirenena ity. Tsiahivina moa fa miisa 16 ireo mpianatra nosamborina raha 5 kosa no naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

Hijery ny tohiny
FTT