Actualités

Ivontoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa Fanoitra ho an’ny fampandrosoana


  • Talata 23 Jolay 2013

Natokan’ireo firenena manerana izao tontolo izao ho taona iraisam-pirenena ho an’ny antontanisa ny taona 2013.

Manodidina ny 100 ireo toerana avy amin’ny vazantany efatra no miara-mankalaza ny 365 andro amin’ity taona diavina ity mba hampisongadinana ny anjara toeran’ny tarehimarika eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Mandray anjara mavitrika ary tsy diso anjara amin’izany ny ivontoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa eto Madagasikara na ilay antsoina hoe «Institut National de la Statistique» izay hafohezina amin’ny Instat.

An-daniny, zava-dehibe amin’ny asa sahanin’ireo manampahaizana manokana momba ny salan’isa ny fanomezan’ireo olona, orinasa, fikambanana, masoivoho na sehatra hafa miankina na tsy amin’ny fanjakana ny valin-teny marina mba hampivoaka araka ny tokony ho izy ny vokatry ny fanadihadiana izay natao. An-kilany indray dia manampy betsaka ireo voakasiky ny fandalinana mivantana sy ny manodidina ny taha isan-jato mivoaka. Ny fiainam-pirenen’izao tontolo izao rahateo dia tsy afa-misaraka amin’ny antontanisa raha tiana marina ny hiroso sy hivoatra bebe kokoa amin’ireo sehatra maro mandrafitra ny fiarahamonina.

Nanamarina izany fomba fiasa sy ny maha zava-dehibe ny valim-panontaniana tena mifanaraka amin’ny zava-misy rahateo ny Tale jeneralin’ny ivontoeram-pirenena mikirakira ny antontanisa eto Madagasikara, Ravelomanantsoa Paul Gérard. Fantatra moa, araka ny fanampim-panazavana nomen’ity tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Instat ity fa dia nihena ho 76 tapitrisa Ariary ny teti-bola nanatanterahana ny asa tamin’ity taona 2013 ity. Ny ivontoeram-pirenena momba ny tarehimarika malagasy izay efa manana ny tranonkalany ahafahan’ny daholobe manaraka ireo antontanisa mahakasika ny fiainana andavanandron’ny mponina eto amin’ny firenena.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT