Actualités

IVATO Saika hamidy 30.000 Ar ny sokatra iray


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Olona roa no tratra ny Borigadin'ny Zandarimariam-pirenena eny Talatamaty nivarotra an-tsokosoko sokatra miisa 10 teny Ivato omaly ka saika hamidy 30. 000 Ariary ny iray amin’izany.

Nitety tokantrano izy ireo no sady kaodikaody nandritra izany, olona tombanana fa avy any amin’ny faritra na koa nanafatra ireto sokatra ireto fotsiny mba havadiny ho vola. Nosamborina avy hatrany izy nandritra izany ary natao famotorana. Hatramin’ny omaly moa dia fantatra fa nomen’ireo zandary salady ny sokatra mba ho salama raha omeny mangahazo kosa izy roalahy aorian’ny fakana am-bavany azy sy ny fahatongavany eny amin’ny fonjaben’Antanimora. Ankoatra ny fandoroana ala moa dia mbola hangalarin’ny sasany ho amidy ihany koa ireo biby tsy manan-tsiny efa an-dalam-paharinganana eto amintsika ka anisan’ireny ny sokatra. Misy amin’izy ireny no hataon’ireo hotely sasany laoka sy masikita mihitsy mba hamalifaliana ireo mpanjifany.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo sokatra nangalariny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT