Manomboka mahazo vahana indray ny kapoka bois rond eto amintsika raha somary efa nangingina teo aloha teo.
Vehivavy iray handeha hamonjy ny toeram-piasany no nisy nikapoka tamin’ny bois rond omaly maraina teny Ivanja Ambohitsoa. Avy any aoriana ilay olona nikapoka, hoy ity renim-pianakaviana ity. Mbola nanam-bintana anefa izy satria tsy tena mafy loatra ilay kapoka ka mbola afa-nitsoaka sy nitantara ny zava-nisy. Nisy ihany ny ra latsaka tamin’ny faritry ny lohany izay voakapoka. Nisy tranga toy izay koa teny Andranonahoatra Itaosy akaikin’ny paositra mbola omaly maraina ihany. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona izay noheverina fa voakapoky ny bois rond ihany koa no nisy nanary tao anatin’ny fefin’ny kaominina. Mbola nitempo ny fony saingy efa tsy nahatsiaro tena intsony izy vokatry ny ra niboiboika avy ao amin’ny lohany aoriana. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina no nitrangan’izany. Mila malina isika rehetra manoloana ny trangan-javatra tahaka itony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.