Miha mivoatra ny teknolojia eto amintsika ary tsy latsa-danja amin` ny
fanarahana ny fivoarana noho izany ireo mpikatroka Malagasy. Ny sekoly ambony IT University, izay miompana amin` ny fampianana informatika amin` ny alalan` ny laboratoara ITU-LABS, dia namolavola tetikasa hikarohana olombelona ara-potoana na aiza na aiza misy azy. Izany dia fampiharana amin` ny finday (application) izay mampiasa fitaovana manokana toy ny “puces RFID”. Raha faritana tsotsotra dia ny “puce RFID” (radio-étiquettes) dia fitaovana kely toy ireny “étiquette auto adhésive” na “scotch” izay afaka apetraka na amin`ny fitaovana na koa zava manan’aina (biby) na olombelona. Io fitaovana kely io dia ahitana « antenne » mifandraika amina « puce » elektronika izay ahafahan'izy ireo mandray sy mamaly ny fangatahana onjam-peo nalefan'ny mpampita hafatra na ny mpandray hafatra koa. Ireto manaraka ireto dia efa misy amin'ny fampiharana: voalohany, fanarahana ny fotoana tena izy: mitady olona amin'ny sarintany ; Fanairana fidirana / fivoahan'ny faritra: ampandrenesina rehefa misy miditra na miala faritra manokana ivelan'ny fe-potoana voafaritra mialoha ; toerana : hita amin`izany ny toerana nisy ilay olona tamin'ny fotoana manokana. Ny fampiharana dia eo amin'ny dingana fitsapana ankehitriny. Betsaka ny olona mandray anjara amin'ny manao andrana amin'ny tontolo iainana. Amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona, ny teknolojia dia nitazona hatrany ny fandrosoana sy ny fanambinana. Fikarohana marobe no mampiseho fa niely haingana ny teknolojia avo lenta, nihoatra ny fetra nasionaly sy ny sehatra. Mampiseho tombony sy fahasarotana izany. Zava-dehibe noho izany ny mamaritra ny toerana misy ny teknolojia vaovao sy ny maha-zava-dehibe azy eto Madagasikara, hahafahana mampitaha azy ireo amin'ny sehatra manerantany. Vonona hanatratra ny fanamby ny IT University Academy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.