Actualités

IT University Andoharanofotsy Miomana handray ny andiany faharoa


  • Alarobia 15 Jona 2011

Amin’izao andron’ny fanatontoloana izao, dia anisan’ny tadiavin’ireo mpianatra hanohy ny fianarana ambony ny sehatry ny informatika sy ny teknoljia vaovao.

Iray amin’ireo oniversite manofana manokana momba ny informatika ny IT University etsy Andoharanofotsy. Manomana ny fandraisana ny andiana mpianatra manaraka ny sekoly ankehitriny. Efa nanomboka tamin’ny 8 jona teo ny fisoratana anarana ary hitohy hatramin’ny 22 jolay. Bakalorea siantifika, na teknika na koa teknolojika no diplaoma takiana amin’ireo mpianatra handranto fianarana amin’ity andiany ity, na koa ireo mpianatra matematika na fizika. Manaraka ny rafitra LMD ny fampianarana eo anivon’ny IT University, izay manofana manampahaizana manokana ahazoana diplaoma Licence eo amin’ny sehatry ny NTIC, afaka hitantana rehefa tetikasa momba ny informatika na eto an-toerana na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’ny 5 septambra 2011 no hanomboka ny taom-pianarana ho an’ity  andiany ity. Dieny izao dia azon’ireo mpianatra aterina etsy amin’ny CITIC Behoririka varavarana 305 na eny amin’ny IT University Andoharanofotsy ny antontantaratasy momba azy. Raha toa moa ka mila fanampim-panazavana dia azon’ny rehetra jerena ny www.ituniversity-mg.com.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT